Nifarana, omaly, rehefa naharitra roa andro ny fihaonambem-paritra ho an’Antananarivo karakarain’ny FFKM, etsy amin’ny FLM Ambatovinaky. Voaresaka ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Mizaka ny zom-pirenena malagasy, olon’ny fahamarinana, mahay mihaino…”, hoy ny sasany amin’ireo mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny tokony ho kandidà amin’ny fifidianana. Notakin’izy ireo koa […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalàm-pifidianana: tsy mbola tara ny fanatsarana
“Tsy mbola tara ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara. Raha tsy mitovy tantana ny fifaninanana ao anatin’ny fampielezan-kevitra, sns, ho be indray ny tsy ho faly amin’izay ho voka-pifidianana na iza na iza voafidy eo. Mety hisy korontana aorian’izay. Izay no mila sorohina mialoha”. Io ny fanazavan’ny ny tale mpanatanteraka […]
Fifidianana filoham-pirenena : 200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina
200 tapitrisa Ar ny fandraisana anjara amin’ny fanontana bileta tokana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, tamin’ny fanapahan’ny governemanta teny Mahazoarivo, afakomaly, momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tamin’ny 2013 no nisy fanovana farany izany, izay 50 tapitrisa Ar. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany. Ny alarobia 20 desambra ny fihodinana […]
Namearison Robert : “Mbola hiverina ny tsy fetezana noho ny tsy fanatsarana ny lalàm-pifidianana”
Hatramin’izao, tsy misy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manahy ny fiverenan’ny tsy fetezana teo aloha ny KMF/Cnoe. Fanehoan-kevitra sy fanazavana… “Mbola hiverina izany ny tsy fetezana hatramin’izay, fa tsy nohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Mbola hiampy tsy fetezana vaovao…” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fiatrehana […]
TARATRY ny KANTO
Hahazo fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana, eo ambany fitantanan’ny MSK. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana tetibola fanampiny hividianana fitaovana, ho an’ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Taolagnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambovombe. Eo koa ny ANAC sy ny Havoria, samy etsy Anosy. Hotontosaina ny sabotsy izao ny “Festival […]