Auteur/autrice : Adnews

Hetsika fampiroboroboana toekarena : horaisin’ny Madavision ny Fim, Fia, SIH… 

Anisan’ny nitana anjara toerana teo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana, ny hetsika nokarakarain’ny Forello Expo ary matihanina tanteraka. Hoha­tsa­raina sy hihavao izany manomboka izao. « Isaorana ny eo anivon’ny fitantanana ny Forello Expo nametraka fitokisana aminay amin’izao handraisanay an-tanana ny hetsika rehetra, hatao eny Tanjombato izao », hoy ny tale […]

Mila sahy

  Efa mandeha sy miparitaka ny lalàna mifehy ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Efa mila vonombonona avokoa izay te hilatsaka hofidiana. Fotoana izao hanombohan’ny fandraisana andraikitra avy eny ifotony. Indrindra ho an’ny tanora na lahy na vavy. Zava-dehibe ny fahasahiana mamaky lay. Mila zatovo vonona sy vanona ny taninjanaka. […]

Fivoriana Cop11: fitantanana maharitra ny ranomasina

Atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 hatramin’ny anio 22 aogositra ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny Fifanarahan’i Nairobi. Mifantoka amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ny lohahevitra. Miisa 11 ny firenena (Madagasikara, Sey­chelles, Somalia, Kao­moro, Maorisy, Tanzania, Kenya, Mozambika, Afrika Atsimo ary Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) aty amin’ny ranomasimbe Indianina […]

TSELATRA

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka, omaly hariva. Fantatra fa mpitandro filaminana handeha hody eny Ambohitrimanjaka ity tra-doza tampoka ity. Potika tanteraka ilay moto nentiny sy ilay fiara nandona azy. Efa nentina hopitaly ilay naratra. Maty voatifitry ny miaramila mpampandry tany tao an-tanànan’i Fiherenana, fokontany Tsaratanana kaominina Miandrarivo Tsiroanomandidy, afakomaly, […]

Lasa ny vola 400 000 Ar: mpanao Cash point norobain’ny jiolahy

Miseholany ny trangam-panafihana ataon’ny jiolahy mitam-piadiana ao Toa­ma­sina. Cash point iray indray lasibatra, omaly. Lasa ny vola sy telefaonina. Telo lahy nandroba Cash point tao Ta­nambao V, kaominina Toama­sina, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Hanokatra ny toeram-piasany toy ny mahazatra, tsy nanampo na inona na inona ny ramatoa iray tompon-tsena. […]