Auteur/autrice : Adnews

“Volana iray, mpanoratra iray”: fantaro i Natioramena Narda

Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpa­noratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpam­pianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny faha­zazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa […]

Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Fran­cesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromo­derato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fiten­drena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny […]

Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy

Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny. Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famo­tehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara […]

Fikarakarana volo : mandany hatramin’ny 100 000 Ariary

Manodidina ny 4 hatramin’ny 10 isan’andro ireo olona tonga mi­karakara volo eny anivon’ny botika sy trano fanaovam-bolo eto an-dRenivo­hitra. Miakatra na mihena io isa io miankina amin’ ny vanim-potoana. Manodidina ny 25 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny saran’ny fi­karakarana volo eny anivon’ny botika matihanina arakaraka ny volon’olona. “Eo anela­nelan’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka ny talata teo ka haharitra telo andro ny atrikasa hanamafisana ny paikady sy ny fanamby ho amin’ny fampaharetana ny fampiroboroboana ny vondron’olona mpanjono. Atao any Ambovombe, faritra Androy ity atrikasa ity. Nampahatsiahivina omaly ny lalàna mifehy ny vondrona misy an’ireo mpanjono sy ny asam-baomiera samihafa. Nahazo ny amboara “African […]