Nidina ifotony tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava, ny volana jona teo, ny Vaomiera misahana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka (PRE) harena an-kibon’ny tany. Nanatanteraka izany ny solontena avy amin’ ny sampandraharaha voakasika ao amin’ny minisitera foibe sy ny fitantanana iraisam-paritra Antananarivo (DIRA). Fepetra tsy maintsy raisina mialoha […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy an-jaza velively!
Nivoaka iny ny datim-pifidianana. Ho raikitra ny lalao na mbola misy aza ny fepetra hafa takin’ny mpamatsy vola. Andrasana ihany koa ny fanambarana ataon’ny filohan’ny Repoblika, amin’ny alahady ho avy izao. Betsaka ny maminavina izay ho vontoatin-dresaka. Tsy misy mipika anefa izany fa ny azo antoka, lahateny ho an’ny […]
Milina indostrialy : nahazo ny anjarany i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo
Hampiroborobo ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hampiakatra ny toekaren’ny mponina ny taninketsa indostrialy napetraka ao Fenoarivo Atsinanana sy Soanirenana Ivongo. Nisitraka ozinina ary nahazo milina hoentina mampiroborobo ny vokatra any an-toerana i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotra ny […]
TSELATRA
Roa lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana noho ny fihazonana zava-mahadomelina tetsy Namontana, afakomaly. Nataon’ny polisy fisavana tampoka, nahitana fonosana rongony tamina harona plastika nilanja 10 grama teny amin’izy mirahalahy. Nokasaina ho fohana teny Andohatapenaka io rongony io, araka ny famotorana natao azy mirahalahy. Voasambotra ny mpangalatra moto iray, tetsy Amboditsiry, […]
Fasan’ny Karana : nirefotra ny basy, moto iray nalain’ny jiolahy an-keriny
Nitrangana fanafihan-jiolahy indray teny amin’ny Fasan’ny Karana, omaly atoandro, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Roa lahy nandeha moto no norobaina jiolahy telo nandeha moto koa. Teo amin’ny lalan-dratsy mialoha ny hidirana ny toby fiantsonan’ny taksiborosy no niseho ny fanafihana. Somary nandeha mora ireo roa lahy niharan’ny fandrobana raha nandalo ny […]