Auteur/autrice : Adnews

Raindahiny amin’ny fakana an-keriny… : lavon’ny zandary tao Ankazobe i Kekely sy i Mara

Maty voatifitry ny zandary tao Ankazobe, afakomaly, ireo dahalo raindahiny roa lahy antsoina hoe i Kekely sy i Mara. Tratra teny amin’izy ireo ny basim-borona sy odiratsy marobe. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina halatra omby sy fakana an-keriny ary vonoan’olona tamin’iny faritra Ankazobe iny ireto ma­laso ireto. Ny 17 jolay […]

Taha fiakaran’ny vidim-piainana : hitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Instat

Hivahiny ao amin’ny fandaharana “Ambarao”, onjam-peo Alliance 92 FM, anio, ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat). Ho voaresaka amin’izany sy hitondrany valiny ny momba ny fanisana ny mponina farany teo sy ireo taha samihafa eo amin’ny lafiny sosialy. Manampy izany ny momba ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny […]

Governoran’ny Faritra Androy: “Rariny ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”

“Rariny sy hitsiny, angamba, io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io. Satria tsy kilalaon-jaza ny fifidianana filohan’ny Repoblika.” Io ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Androy, i Soja Lahimaro, momba ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Antonony amin’izay hirotsa-kofidina io. Matetika, kajikajy politika no manosika ny kandidà sasany mba […]

Tezitra mafy ny depiote “Del kely” : “Foano ilay fanadinana polisy farany teo…”

Tsy faly ny depiote Razara Pierre Fidel ,”Del kely”, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ny herinandro teo. Notakiny ny tokony hanadihadiana ny momba ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena. Tsy nitsitsy fitenenana ity depioten’Ambatondrazaka ity. “Avoahy ny marina amin’ireo polisy miisa sivy afaka fanadinana nefa tsy niadina an-tsoratra sy am-bava akory. Foano […]

VAOVAO TAMBATRA

Atao eny Ivato mandritra ny telo andro ny atrikasa andiany faharoa momba ny fanentana sy fampiofanana ireo veterinera amin’ny fanaraha-maso ny aretim-biby sy ny aretim-biby mifindra amin’ny olona. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ireo veterinera ka ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby. Tafapetraka avokoa ireo […]