Tontosa ny sabotsy 17 aogositra lasa teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Lanonana narahina fifaninanana, nampitondraina ny anarana hoe “Gildas Fight Night”. Afapo ny mpikarakara ary fahombiazana no azo nandritra ny hetsika. Tanjona, ankoatra ny fankalazana, ny anomezana lanja ny taranja Muay […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifanintsanana « Can 2025»: hiampy telo ireo mpilalao hanatevina ny Barea de Madagascar
Miisa 26 ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fihaonana amin’i Tunisie sy i Comores, eo amin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2025. Tsy ao anaty lisitra i Clement Couturier. Tsy toy ny mahazatra fa tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tserasera no namoahan-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), […]
TARATRY ny KANTO
“Hosotra-Festival d’arts”, atao etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, hatramin’ny 14 septambra 2024 izao. Hetsika ara-javakanto fanaon’ireo mpiangaly hosodoko. Fotoana ahafahan’ny ianakaviamben’ity zavakanto ity mihaona. Fotoana hampirantiana asa tanana sy hanaovana atrikasa ary fifaninanana eo amin’io sehatra io. Asa tanana hosodoko. Ampirantiana hatramin’ny 23 septambra, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ireo asa […]
Cité Ampefiloha-60 taona: nandray anjara ny mpanakanto avy ao an-toerana
Mankalaza ny faha-60 taona nisiany ny cité Ampefiloha, eto Antananarivo. Fomba maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny zoma sy sabotsy teo. Anisan’izany ny fametrahana ny tsangambato, ny hetsika ara-tsosialy, ara-kolontsaina…, ho an’ireo zanaky ny mponina eny an-toerana. Ho an’ny hetsika ara-kolontsaina manokana, nisy ny fampisehoana maimaimpoana natao tetsy amin’ny […]
Ilay ray izay tsy ananako: nampihetsi-po mpijery ny tantaran’ireo tanora telo
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny tantara an-kira ravahana dihy, nampitondraina ny lohateny hoe: “Ilay ray izay tsy ananako”. Tantara nosoratan’ny Dr Velonjara Voary, filoha mpanorina ny fikambanana Iza. Tantara nampisehoana ny fiainan’ny tanora telo tafalatsaka tao anatin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena noho ny tsy fisian’ny raim-pianakaviana miahy […]




