Auteur/autrice : Adnews

Tontolon’ny hira sy ny valiha : hotsaroana Randafison Sylvestre

Mitsingerina tamin’ity taona ity ny faha-20 taona nahalasanan’ilay andrarezin’ny hira malagasy, Randafison Sylvestre. Hisy ny hetsika hoenti-mahatsiahy ny zava-bitan-dRandafison Syl­vestre, mpitendry valiha ma­laza maneran-tany. Ao anatin’ ny fandaharam-potoana ny fijoroana vavolombelon’ireo nifanerasera taminy fony fahavelony. Anisan’izany ny fianakaviana sy ny mpitendry zavamaneno toa an-dRakotomavo Germain sy Ratovo Luc Oli­vier, sns, […]

Kaominina Ambinanidilana : faritra manan-karena fa saro-dalana

191 ireo kaominina mandrafitra ny faritra Atsina­na­na. Iray amin’ ireo ny kaominina ambanivohitr’ Ambinanidilana. Anisan’ny toerana iray manan-karena amin’ny lafiny maro ao amin’ny distrikan’ i Mahanoro. Ahitana vokatra fanondrana maro samihafa any amin’ny kaominina am­banivohitra Ambinanidilana. Anisan’izany, ny vanila, jirofo, kafe, poivre, vary, paraky gasy… Ahitana omby sy kisoa koa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mitovy ny zom-pirenena sy ny fiaviana. Zava-dehibe tsy tokony hohamaivanina ny momba ny fizakana zom-pirenena, raha ny fanehoan-kevitry ny kandidàn’ny antoko Tsara tahafina, i Paraina Auguste. Tokony ho ny lalàna ihany no tokony hampiharina. Maninona ny zanaka no alefa any ivelany, raha hita fa mandeha tsara ny fampianarana eto […]

HVM: “Tokony hajaina ny lalàna momba ny zom-pirenena”

“Ho anay antoko HVM, tsy mila avilivily intsony izany fa hijery isika afaka volana vitsivitsy. Enga anie mba hijoro ireo tomponandraikitra mahefa amin’ny fijerena ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety ka nanazavany ny amin’izay fananany […]

Fa(ha)matorana politika

  200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Mahabe resaka, adihevitra… Mandeha ny hoe tsy kitsapatsapa ny fifidianana. Mila fahamatorana politika izany. Miainga amin’ny antoko na vondrona politika io. Mba tsy olona iray no andeha hianto-tena. Izay hatramin’izay? Mpanam-bola iray, ohatra, no manorina antoko. Lasa filoha ho azy. […]