Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 60 taona tao Ambohimahasoa, omaly maraina. Nijanona hisakafo, nametraka ny fiarabe teo amoron-dalana ny mpamily. Tsy tana tamin’ny alalan’ny kaly tampoka io kamiao io ka nifaoka trano maromaro teo amin’ny sisin-dalana. Nifanindry an-dalana tamin’io fotoana io, tsy tafatsoaka ny fiara namantana tamin’ny tsena amoron-dalana […]
Auteur/autrice : Adnews
Nitsirara tampoka…: Raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: manome tohana antsika ny firenena Egyptianina
Mandray anjara amin’ny fiofanana mahakasika ny fampamokarana anaty rano ho an’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika i Madagasikara amin’ny alalan’ny Talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Alaotra Mangoro. Hetsika izay atao ao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena Egyptianina momba ny fambolena (Eica) ao Le Caire, Egypta. Manotrona izany koa […]
Fampiroboroboana ny fandraharahana: Vinavinaina hiara-hiasa ny Dric Itasy sy ny RNA
Miroso amin’ny dingana fakan-kevitra ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (Dric) Itasy sy ny Région Nouvelle aquitaine (RNA) hirosoana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampivoarana ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny faritra Itasy. Namelabelatra ireo andraikitra sahaniny sy ny vinan’ny minisitera ny Dric nandritra ny fihaonany […]
Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA) : manome tohana hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ho an’ny tantsaha
Manome tohana ara-bola ho fampiroboroboana ny seha-piharian’ny tantsaha ny Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA), ho fampandrosoana ny famokarana sy ny toekarena. Mahatratra hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ny tohana ara-bola omen’ny Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana na “Fonds de développement agricole (FDA)” ireo tantsaha mandeha irery. Miankina amin’ny tolotra […]




