Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

“Revy Mahaleo” etsy amin’ny La Balançoire Ala­ro­bia. Taorian’ny tsodrano nomen’i Dama sy i Bekoto, daty maromaro avy hatrany no noraiketin-dry Taranaka. Hanomboka izany ny anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Mazava loatra fa hiran’ny Mahaleo avokoa no hovelomin-dry zalahy taranaka ireto, mandritra izany. Faith etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. […]

« Festival de la Cinéma de Madrid »: ahitana horonantsary malagasy mifaninana

Taratry ny fahaizan’ny Malagasy ny tontolon’ny horonantsary izao maha voafantina hiatrika hetsika iraisam-pire­nena izao. Ity sehatra ity izay mitranga hatrany noho ny fampiroboroboana azy, tontosaina eto an-toerana. Anisan’ireo horonantsary fanadihadiana, handray anjara amin’ny « Festi­val de la Cinéma de Madrid », andiany faha-33, hatao any Madrid Espagne, ny 12 hatramin’ny 20 septambra […]

“YALI Mandela Washington Fellowship”: vatsim-pianarana ho an’ny tanora aty Afrika

Nisokatra nanomboka oma­ly ny fisoratana anarana hahazoana vatsim-piofanana “Yali Mandela Washington Fellowship 2025”. Fandaha­ranasa napetraky ny governemanta amerikanina, hanohanana ny tanora afrikanina mpitarika. Tiliana amin’izany ny tanora mpitarika 25 hatramin’ny 35 taona izay mampiseho fahaiza-mitarika sy fahafoizan-tena ho fampandrosoana. Hifantina tanora mpitarika 700 isa aty amin’ny faritr’i Afrika Atsimon’i Sahara […]

INDRAY MIJERY

Tontosa ny famelabelarana ny Fandaharanasa fanohanana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana (PADSSR) nokarakarain’ny fikambanana “Mouvement malagasy pour le planning familial” (MMPF) natao tao amin’ny Cisco Miarinarivo, Antananarivo Avaradrano, Ambositra, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nampahafantarina, tamin’izany, ny tanjona, ny sehatra hiasany ary ny hisitraka izany ho an’ny fanabeazana maha […]

METM : notokanana ny toeram-panofanana teolojia

Notokanana, afakomaly, ny toeram-panofanana, faculté de Théologie de la METM Dr Rakotobe Andriamaro, etsy Ambohidrapeto. Tonga nitokana izany ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Fiangonanana Misiona evanjelika teratany eto Madagasikara (METM). Nahitana ny Dr Rakotobe Andriamaro sy ny mpitandrina Razafindrakoto Clément ary ny Sanatera Randriamananjara Philibert. “Ilaina ny fanavaozana ny toeram-panofanana […]