Efa mihetsiketsika ny zaza ao e! Raha ny fantatra, omaly no efa nanomboka ny fijeren’ny praiminisitra ny mahakasika izay olona handrafitra ny governemantany. Mbola nisy ny fandraisana ny antontan-taratasy faramparany ho an’izay vonona, teny Mahazoarivo. Manana eo amin’ny 48 hatamin’ny 96 ora ny lehiben’ny governemanta handefasana izay mahafeno fepetra […]
Auteur/autrice : Adnews
Tokely Justin : “Vonona hiady amin’ny kolikoly ny depiote”
Nanao fanambaram-pananana ny solombavambahoaka, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimerampirenena, i Tokely Justin. “Zava-dehibe ny fanaovana fanambaram-pananana, hanaporofoana fa vonona hiady amin’ny kolikoly ary tsy hanao izany kolikoly izany ny solombavambahoaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, omaly, tamin’ny fametrahan’ny […]
TSELATRA
Nidina an-dalambe nandoro kodiarana ny mponina etsy 67 Ha noho ny fahatapahan-jiro lavareny, omaly. Ankoatra ny haizina izay efa saika ho isan’andro ateraky ny fahatapahana, mitaraina ho simba entana amidy koa ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina. Ramatoa mpivarotra rongony tra-tehaky ny zandary tao Analalavabe, Ambodivoanio, distrikan’i Mananara Avaratra, afakomaly. Nahatrarana […]
Mahitsy: lehilahy nahatrarana akoho halatra 30 isa
Voasambotra tao amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Mahitsy ny lehilahy iray nangalatra akoho, ny sabotsy 9 aogositra teo, tamin’ny 3 ora maraina. Nitondra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tsikaritry ny zandary nanao fisafoana ho hafahafa ny fihetsik’io lehilahy io. Nosavaina ny kitapo teny aminy. Tratra tao anaty gony ny akoho mitotaly 30 […]
Ambohimangakely : mpangalatra efatra voasambotra
Ravan’ny zandarimaria sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsara sitrapo ny andian-jiolahy mpangalatra ireo akora ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana, teny Ambohimangakely, ny 10 aogositra teo. Valo lahy nitondra fiara sprinter, nanangona ireo fitaovana izay hanamboarana ny ivontoeram-pamokarana herinaratra miisa telo hanampiana ny filan’ny mponina eto an-dRenivohitra. Tariby an-jiro, vy sy […]




