Auteur/autrice : Adnews

“Salon des études” : hanoroana lalana ny tanora

Hiditra amin’ny andiany faharoa, amin’ity taona ity, ny hetsika “Salon des études”. Natokana ho an’ireo hanovo fahalalana eny amin’ny Oniversite na fampianarana ambony sy ny lafiny fanofanana izany, hotanterahina ny 22 sy ny 23 aogositra izao, etsy amin’ny Oriental International, lalana Boulevard de l’Europe, 67 ha. Anisan’ny ho hita amin’ […]

Andavamamba : nitondra fanampiana ny BNGRC

Tsy niandry ela fa taorian’ny haintrano niseho teny Andavamamba-Anatihazo II, ny faran’ny herinandro teo, efa tonga teny amin’ilay toerana nisy ireo trano may ny ekipan’ny BNGRC, notarihin’ny Tale jeneraliny, Elack Olivier Andriakaja, nijery ifotony ny fahavoazana sady nitondra fanampiana vonjy ranovaky ho azy ireo. Vary, menaka,voamaina, lamba firakotra sy fitafy […]

CHU HJRA : fanamby ny fanasarahana ireo kambana miraikitra

Dingana lehibe, fanamby, teo amin’ireo Malagasy dokotera manam-pahaizana ny fandresena tamin’ny fandidiana natao tamin’ ireo zaza kambana niraikitra, Tahinjanahary sy Fanambinantsoa. Dokotera manam-pahaizana manokana miisa 22 mianadahy no nifarimbona tamin’ny fandidiana ireo kambana niraikitra, ny herinandro teo, tao amin’ny CHU HJRA. Nanano sarotra ny fandidiana satria ny fanasarahana ny hazondamosina […]

Tao anatin’ny fito volana: miisa 126 422 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara

Miha mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona, mahatratra 126 422 ny mpizahatany tonga teto, araka ny antotanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Niakatra ny isa raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 111 105, saingy mbola samy ambany raha oharina ny tamin’ny […]