Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra. Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifandraisana amin’ny any ivelany: fifanarahana fito no vita sonia teo amin’i Angola sy i Madagasikara
Hitohy anio ny fitsidihana ofisialy ataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara any Angola. Fifanaraham-piarahamiasa miisa fito no vita sonia, omaly. Manga ny lanitra! Fifanaharaham-piarahamiasa fito no nosoniavin’ny fanjakana malagasy sy angolais, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana any Luanda. Tafiditra amin’ny fihaonana eo amin’ny delegasionin’ny firenena roa tonta izany. Nitarika ny fotoana ny filoha […]
TSELATRA
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hanolana ny zana-drahalahiny. Maty ny rain’io zaza io ka ity rahalahiny ity no nandray ny fitaizana io ankizivavy 13 taona io. Manatanteraka fitokonana faobe ny mpiasan’ny Fofifa rehetra, anio. Takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny ramatoa tale jeneraly vaovao. Tapitra, omaly, ny fe-potoana […]
Minisiteran’ny Asa Vaventy : tratra ilay mpisoloky milaza fa maha tafiditra mpiasa
Nametraka fitoriana teny amin’ny zandarimaria, sampana heloka bevava ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Voalaza fa misy olona iray milaza fa maha tafiditra mpiasa ao amin’ny minisitera. Mampiasa karapanondro sandoka izy, ka miisa 12 ny olona voasolokiny, nangalany vola 1,4 tapitrisa Ar tsirairay avy. Nanao fanadihadiana ny zandary, notarihin’ny kolonely Ravelomanana […]
Vatomandry : Ankizilahy iray natelin’ny ranomasina
Tonga nilalao sady nilomano teo amin’ny ranomasina tsy lavitry ny seranan-tsambo ao Vatomandry ny ankizilahy iray 15 taona, afakomaly. Tampoka teo, tsy hita izay nanjavonany. Nikoropaka avokoa ireo namany mpiara-dia aminy avy aty an-dRenivohitra. Vory lanona ny olona teo amoron-dranomasina saingy niala maina avokoa ny rehetra. Nanampy tamin’ny fikarohana ny […]




