Auteur/autrice : Adnews

Kitra –D2 Nasionaly: hifanandrina amin’ny AS St Anne voalohany ny Espoir United

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa. Efa vonona tanteraka ny solontenan’Analamanga, AS St Anne. Tonga omaly, any Vo­hemar, ny AS St Anne Analamanga. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay – 6 aogositra […]

FANTINA sy FINTINA

Nigadona omaly maraina any Paris, Frantsa, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy fihaonana manokana eo aminy sy ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron, ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, anio hariva. Aorian’izay, hanatrika ireo lanonam-panokafana ny lalao olympika 2024 izay nanasana filoham-pirenena maro izy. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i […]

Depiote Rakotoniaina Pety: “Minisitra hanao ny asa isam-paritra no ilaina”

“Ho anay solombavambahoaka, mila minisitra hanao an’ireo asa tena ilain’ny isam-paritra izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ny amin’ny fandrafetana go­ver­nemanta vaovao sy izay asa andrasana amin’ny minisitra. Inona moa no zavatra andrasana amin’ny governemanta? Hanao an’ireo asa […]

Fafao ny tokotany

  Nanakoako ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Re­pobli­ka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talata lasa teo. Nihazakazaka ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teny an-dapa. Voakasik’izany avokoa ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny ady amin’ny hosoka sy ny fanararaotam-pahefana. Samy manadio ny tokotaniny avokoa ny mpiantsehatra eny an-toerana na […]

Seranam-piaramanidina Ivato : hentitra ny fanadiovana, olona roa no hohadihadiana

Mihatra avy hatrany. Izay ny fepetra iadiana amin’ny kolikoly eny amin’ny serenam-piaramanidina, Ivato, nanaovana filankevitra ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fidinana ifotony. Nomarihiny fa misy anarana tomponandraikitra roa miverimberina amin’ny resaka kolikoly, ka hohadihadiana manokana. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo, ary […]