Ankizivavy mpianatra niharan’ny fanendahana tao anaty taxibe teny Antohomadinika, afakomaly atoandro tamin’ny 1 ora. Tsy afa-nihetsika, norahonan’ny lehilahy iray nanao fanamiana mihaja teo akaikiny izy. Raiki-tahotra, lasa avokoa ny zava-tsarobidy teny amin’ilay mpianatra. Olona enina voasambotra vokatry ny fanaovana hosoka nandritra ny fanadinana Bakalorea tao amin’ny CEG Andranonahotra, afakomaly. Mpampianatra […]
Auteur/autrice : Adnews
Tovovavy maty teny Ambohibao: nidoboka eny Tsiafahy ny rafozany
Niampy iray indray ireo voasaringotra tamin’ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Antanetibe kaominina Antehiroka, ny 5 jolay lasa teo. Ny mpanampin’ilay tovovavy sy ny sipany ary ny naman’ny sipany no voasambotra voalohany. Nitohy hatrany anefa ny famotorana lalina nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ izao […]
Kalach iray tratra : maty voatifitry ny zandary i Gody
Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-pileovana Menabe, tao amin’ny fokontany Bekadradraky kaominina ambanivohitr’i Manandaza distrikan’i Miandrivazo, afakomaly ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Gody. Vao nanentana ireo olon-tsotra mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Menabe tarihin’ny Kly Faneva mba hamerina haingana ireny fitaovam-piadiana […]
Fiara Starex tra-doza teo Antanimena : lehilahy iray maty tsy tra-drano
Namoy ny ainy teo noho eo, ny mpamilin’ny fiara marika starex iray niharan-doza tetsy Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Lehilahy 28 taona nitondra fiara matin’ny lozam-pifamoivoizana teo Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nalalaka ny lalana ka nanararaotra nandeha mafy ny mpamilin’ny fiara. Avy […]




