64 taona no niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Mby aiza? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “64 taona aty aoriana, azo lazaina hoe tsy mbola mahaleo tena isika fa mbola ao anatin’ny ady amin’izay hoe fitadiavana Fahaleovantena izay”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aminao, inona no hoe Fahaleovantena? Rabevahiny Elia […]
Auteur/autrice : Adnews
Taratry ny kanto
Niteraka resabe ny hiram-pirenena, tao Mahamasina. Na ireo nanatri-maso na ireo nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena dia nahatsikaritra ny tsy fetezana avokoa. Araka ny fanazavana voaray, vokatry ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamafisam-peo izany, ka nisy tsy nivoaka ho henon’ny besinimaro ny feon’ny mpihira sasany. Olana efa mpitranga matetika rehefa fety lehibe […]
Fanorona: nandrombaka ny fandresena i Dada Bary
Nikarakara fifaninanana lalao fanorona, teny Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. 9 mianaka, avy amin’ny fokontany enina, eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo ireo nandray anjara tamin’izany. Nandrombaka ny amboara, nandresy tamin’izany, Rabarimanana Jean de Dieu na i Dada Bary, 77 taona, rehefa avy nifanandrina ny ho tompondakan’ny […]
“Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana”: tadika tamin’ny teny malagasy
« Amour, patrie et soupe de crabe » ny lohatenin’ilay boky voalohany… Nadika ho « Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana » ity sanganasan-dravaloson Johary ity. 5 taona taorian’ny nipoiran’ny voalohany, nivoaka izao ny boky faharoa, izay nadikan’ Ilaibalihy, nampian’i Rija Al-Jonah teo amin’ny fanitsiana. Tsy asa mora ny fandikana izany, satria tsy ny fehezanteny tsirairay fotsiny no […]
« Grand podium nationale »: nianoka fampisehoana niavaka ny vahoaka
Andro manan-danja sy miavaka ho an’ny vahoaka malagasy ny 26 jona. Izany indrindra no antony nisian’ny fety aman-danonana maro samihafa, nentina nanamarika izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Grand podium nationale ». Fampisehoana lehibe, nentina nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny nijoroan’ny foloalindahy. Mpanakanto mpihira isan-karazany no […]




