Auteur/autrice : Adnews

Nifanenjehan’ny fokonolona: dahalo raindahiny voasambotra

Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny fandrobana omby nahafatesana olona, voasambotry ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly. Nokarohina taorian’ny fanafihana herinandro vitsy, naharay loharanom-baovao nirakitra ny mombamomba io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanao ny fomba rehetra nisamborana azy izy ireo. Nanampy tosika ny fokonolona. […]