Auteur/autrice : Adnews

Fantina sy fintina

 Tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mponina amin’ireo kaominina miisa 31 any amin’ny distrikan’i Van­gaindrano. Nambaran’ny filohan’ny BAAM ho anton’izany ny antsojay sy fanenjehana ny depiote Masy Goulamaly, i Mahavitara Sylvestre ary Razana­mahasoa Christine.  Miisa efatra mianadahy ireo tanora voafantina hiofana any Sénégal, amin’ny alalan’ny programa andiany […]

Tsy mahantra ny Malagasy

Mihanoka tanteraka anatin’ny asaramanitra Ramalagasy. Fety aman-danonana natokana hanamarihina ilay fahaleovantenan’ny firenena, feno 64 taona. Fiaraha-mikoragna sy mifaly manerana ny tanàna. Hanadinodinoina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-batan’olona. Mahavariana ny mahita ny ankamaroan’ny olona manjifa ny tolotra fialamboly etsy sy eroa. Mifanitsakitro manerana ny tsena. Mipetraka ny fanontaniana: mitombona ihany ve […]

Fiaraha-miasa amin’ny Unicef: hiaro ny zon’ny ankizy ny fitsinjaram-pahefana

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany tetsy Anosy, omaly, ny solotena maharitry ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Voa­resaka tamin’izany fihaonana izany ireo lohahevitra samihafa. Nisongadina ny momba ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana sy ny andraikitra sahanin’ity Sampan­dra­harahan’ny Fire­nana mikambana misahana ny reny sy ny zaza ity. […]

Tselatra

Mpitondra moto iray nositomina tao amban’ny taxi-be teny Anosizato, omaly maraina. Nikasa hijanona io mpitondra moto io kinanjo tafasitrika tampoka tao ambany fiara. Tsy nisy aina nafoy. Potika ny moto nentin’io tra-doza io. Manaraka fitsaboana ireo zandary telo voatifitra, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao amin’ny kaominina Ankisatsy, distrika Maintirano, […]

Fenoarivo Lakolosim-piangonana hita tao anaty bozaka

Narian’ny olon-dratsy tao anaty bozaka ny lakolosim-piangonana iray eny Manankasina, fokontany Ambohijatovo, kaominina Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano, omaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria miasa ao amin’ny borigady eny an-toerana. Nahita tampoka io lakolosy io. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana avy hatrany io fitaovam-piangonana io. Tsy fantatra hatreto […]