Fitiliana iray tokony hataon’ny vehivavy mitondra vohoka ny fitsirihana ny tsimokaretina VIH/Sida ao aminy raha toa ka mitondra izany izy na tsia, ka hanomezana azy ny fitsaboana sahaza azy. Afaka manaraka fitsaboana ilay vehivavy tsy hamindra amin’ny zaza ao am-bohoka ka ilaina ny fanatonana tobim-pahasalamana misafo sy manao ny fitiliana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Mponina: notsimbinina ireo ankizy zanaky ny fianakaviana tena sahirana
Nahatsiaro manokana ireo ankizy tetsy Isotry ny minisiteran’ny Mponina, omaly. Mendrika ny hanao fety toy ny ankizy rehetra izy ireo amin’izao fetin’ny Fahaleovantena izao. Notsimbinina manokana ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana, omaly, tetsy Isotry. Nitsidika azy ireo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sady minisitry ny Mponina mpisolo […]
Andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE): manamafy ny fiaraha-miasany ny JCI sy ny Orange
Manavao ny fiaraha-miasany ny Orange Madagascar sy ny Jeune chambre Internationale (JCI), tamin’ny alalan’ ny fifanaovan-tsonia nataon’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, sy ny filoha nasionalin’ny JCI, Ratsimbazafy Sandra, omaly. Miompana amin’ny fandraisana andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE) sy ny tetikasa maharitra ho an’ny tanora malagasy omen’ny […]
Jono madinika: hampitomboina ny vokatra hamaly ny filana
Nahatratra 30 000 taonina ny vokatry ny fampamokarana ny atirano (aquaculture), tamin’ny taona 2023. « Mbola azo hampitomboina tsara io taham-pamokarana io mba hamaliana ny filan’ny firenena, izay tombanana ho manodidina ny 300 000 taonina », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, teny Ampandrianomby. […]
fiakaran’ny vidim-piainana: nihena nandritra ny telo volana farany, ny taona 2023
Nihena manodidina ny 0,2 ka hatramin’ny 0,3% ny vidim-piainana ny volana oktobra sy novambra, taona 2023, taorian’ny fisondrotan’izany ho ambony indrindra ny volana marsa tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nahatonga izany ny fiakaran’ny vidim-bary ka nahatonga ny Indice des prix à la consommation (IPC) ho […]




