Auteur/autrice : Adnews

Tangorom-bohitra Andriry- Milamy: hamafisina amin’ny tetikasa vaovao ny fandriampahalemana

Nampahafantarina tany Iakora ny tetikasa vaovao hanamafisana ny fandriampahalemana maharitra iraisan’ny rehetra ao amin’ny tangorom-bohitra Andriry-Milamy, distrikan’i Betroka. Malaza ho toerana fieren’ny dahalo (malaso) io tangorom-bohitra io ary mahasahana faritra efatra manomboka any avaratra ka hatrany atsimo: Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Anosy ary Androy. Toerana miavaka amin’ny fiompiana omby eny an-kijana […]

CSBII Anjoma: nitombo avo roa heny ireo tonga manao fanabeazana aizana

Mahomby ny fanentanana sy fandresen-dahatra ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ka maro no tonga manao fanabeazana aizana. Ny USAID Access no nizara ny teknikam-panentanana mahomby. Manodidina ny 40 isan’andro ireo  olona tonga manao fandrindram-piterahana ao amin’ny CSBII Anjoma, Fianarantsoa, araka ny fanazavana nentin’ny rasazy Rambeloson Nivo. 15 taona ny zandriny […]

« Coca-Cola PFL »: adin’ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus ny famaranana

Notanterahina teto an-dRenivohitra sy tany Toliara, omaly, ny lalao manasa-dalana miverin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”. Nahazo ny tapakilan’ny famaranana tamin’ity fifaninanana nasionaly ity ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, ny Disciples FC nandresy ny Zanakala FC, […]

Handball – “Mada sénior 2024” Tompondaka ny THBC sy ny Asco Toliara   Nisalotra ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2023 azy, eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny THBC Analamanga, ho an’ny vehivavy, raha ny Asco Toliara kosa ny teo amin’ny lehilahy.  Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny […]

Sombim-baovao

Hanainga rahampitso, ho any amin’ny Nosy Maorisy, ny ekipam-pirenena malagasy Makis seven de Madagascar. Hiatrika ny « Africa Men’s tour », taranja rugby, lalaovin’olona fito ireo lehilahy mpilalao. Miray vondrona amin’izy ireo, i Maurice, mpampiantrano, Nigeria, ary i Kenya. Nifarana omaly, tany Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, N1A faritra […]