Auteur/autrice : Adnews

Atletisma – Tompondakan’i Afrika Sénior 2024: nahazo medaly alimo i Sidonie teo amin’ny 100 m misy fefy

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma 2024, ho an’ny sokajy Sénior. Norombahin’i Sidonie Fiadanantsoa ny medaly alimo rehefa nahazo ny laharana fahatelo ny tenany.  Tanterahina any Douala Cameroun, nanomboka ny zoma lasa teo, ny andiany faha-23 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2024, […]

Lomano – “Lalao Olympika 2024”: notsipahin’ny Federasiona ny maha solotena an’ i Eliot

Nohamafisin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMN), omaly, fa  i Jonathan Raharvel, no solontenan’ny Malagasy lehilahy, hiatrika ny lalao Olympika “JO 2024”. Nolavin’izy ireo ny filazana fa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ity fifaninanana goavana ity,  Rakotondramanga Eliot, Malagasy mpilaravinahitra any ivelany. Nomarihin’izy ireo fa mitsipaka tanteraka ny lalàna iraisam-pirenena i Eliot.“Araka […]

Taratry ny kanto

Hetsika maro no nentin’ny teto Madagasikara nanamarika ny “Fête de la musique”, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Samy nahitana hetsika avy ny teny anivon’ireo renivohi-paritany, manerana ny Nosy. Fotoana iray nanomezana lanja manokana ny mozika sy ireo mpahay kanto, mpihira, indrindra ireo vao misandratra. “Fitiavana, Tanindrazana, Fozaorana”. Vokatra vaovao no […]

Mpikapoka vato

Anisan’ny asa iray be mpanao ny fikapohana vato eto Madagasikara. Tsy mifidy taona sy sokajin’olona ny fanaovana izany fa hita ao avokoa ny olon-drehetra, na lahy na vavy. Anisany manao izany, eto Antananarivo, ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Rasoavololona Fanja Claire. Nanomboka nikapo-bato teo amin’ny faha-10 taonany Rasoavololona Fanja Claire. […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Mba tsy ho tafiditra amin’ny fanakorontanana ny 26 jona ny vahoaka”

“Ireo milaza azy hoe tia tanindrazana sy tsy tia vazaha izao no manimbazimba sy manao tsinontsinona ny fankalazana ny Fahaleovantenam-pirenena. Hita porofo amin’izao fa ireo no tena fahavalom-pirenena, manao tsinontsinona ny hasin’ny tanindrazana”. Io ny valin-kafatry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V. momba ny hetsika kasain’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy […]