Nahavita be teo amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra aty Afrika i Segun Ogunsanya, tale jeneraly teo aloha, Airtel Africa. Voafidy ho mendrika indrindra amin’ny fahaiza-mitarika izy. Mikarakara ny African Business Leadership Awards (ABLA) 2024, ny gazety boky ara-toekarena Africa Leadership Awards (ALM) an’ny fikambanana African Leadership (ALO). Handray ny lokany izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagascar Airlines: mitombo tsikelikely ny sidina anatiny
Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana, Phénix 2030, ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny sidina anatiny mba hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Hiakatra 19 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania manomboka ny 14 jona. Hitombo 26 kosa izany ny volana jolay, hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny mpanjifa. […]
Fampirantian’ny Foloalindahy : hampahafantarina ny vahoaka ireo hery fiarovana misy
Anisan’ny andry iankinan’ny firenena ny Foloalindahy. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka, araka izany, ny fahafantarana ny momba azy ireo. Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny 25 jona 2024, ny fampirantiana anehoana ny maha izy ny hery fiarovana misy eto Madagasikara. « Ny firenena sy ny hery […]
Kitra – «Ligue 1» Analamanga : tompondaka ny AS Ste Anne
Norombahin’ny AS Ste Anne Bongatsara, ny anarana maha tompondakan’ny ligin’ Analamanga D1, taranja baolina kitra. Resiny tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny famaranana ny Toulon Academy. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady lasa teo. Baolina matin’i Baba, minitra faha-35 sy ny an’i Anico (90 […]
Tenisy – “Billie Jean King III”: resin’i Zimbabwe i Madagasikara
Notontosaina, omaly, tany Nairobi Kenya, ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Billie Jean King”, vondrona III, sokajy vehivavy, taranja tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “A” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy […]




