Manana fahasahiranana ny Voromaherin’i Mali satria ny maraina teo vao tonga ao Afrika Atsimo ny delegasion-dry zareo. Araka izany, tsy hisy fotoana firy hizarana kianja sy toetr’andro ny ekipa malianina ka mety hanome tombondahiny ho an’ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Natolotra ny fitaleavana momba ny fampiroboroboana ny fahasalamana ireo fitaovana ara-teknolojia maro avy amin’ny tetikasa « Miarova », toy ny solosaina, finday avo lenta, fahitalavitra, fitaovam-pivoriana ampitain-davitra… Natokana ho an’ny fitantanana ny tsaho sy ny vaovao tsy marina mahakasika ny vaksiny ireo fitaovana mba hahafahana mampiroborobo ny fanaovam-baksiny. Alefa avy hatrany any […]
Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny Parc Ivoloina sy ny Alpha Ciment
Notanterahina tany Ivoloina, ny alarobia 5 jona lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny valan-javaboahary, Parc naturel d’Ivoloina, sy ny Alpha Ciment. Nanatanteraka izany i Jaozandry Jean Jacques, talen’ny ONG Madagascar Fauna, misahana ny “Parc” sy i Zafindrantoanina Arivelo. Votoatiny ny fanamafisana orina amin’ny hanatsarana ny fisahanana ny tontolo iainana. […]
Fanabeazana: notokanana ny EPP Ambohimarina
Tontosa ny fanamboarana ireo efitrano fianarana rehetra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohimarina, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy 8 jona teo. Mpianatra avy amin’ny fokontany manodidina no hisitraka manokana amin’ny fananana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Misehatra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sosialy sy ny fanabeazana, nanamboatra efitrano telo amin’ny fanavaozana […]
Tetikasa “Apprendre”: hanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara
Manatanteraka fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo ireo mpiantsehatra amin’ny fanabeazana sy fikarohana. Mba hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ny anton’ny dinika. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio, ny loabary an-dasy iraisam-pirenena momba ny fanabeazana. Mandray anjara manatanteraka izany ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eto an-toerana sy any […]




