Auteur/autrice : Adnews

USAID sy OMS: hasongadina ny fahasalaman’ ny saina eto Madagasikara

Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa momba ny fahasalaman’ny saina ny USAID sy ny OMS. Dingana voalohany amin’ireo hetsika maromaro nomanina ho an’ny roa taona ho avy no natao. Nampivondrona mpandray anjara maherin’ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola ny atrikasa natao teto Madagasikara mo­mba ny fahasalaman’ny […]

Rugby – “XXL Top 12”: nomontsanin’ny FTM ny FTBA Andohatapenaka

Voahaja ny lojika. Resin’ ny FTM Manjakaray tamin’ny isa mavesatra 92 no ho 0 ny FTBA Andohatapenaka. Fiha­o­nana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, «XXL Top 12». Lalao notanterahina, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra. Ambony lavitra ry zareo […]

Taekwondo- Ambaratonga kukkiwon : mpikatroka 33 tonga nanao fanadinana

Notontosaina omaly, teny amin’ny CFFAMA Nanisana, ny fanadinana hiakarana am­baratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Miisa 33 mianadahy ireo mpikatroka tonga niadina teny an-toerana. Mari­hina fa ity no hetsika voalohany nokarakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Fe­derasiona malagasin’ny Tae­kwondo (FMTKD), Fanome­zantsoa Dimbiheriniaina Pharl­in, (3ème dan kukkiwon sy 4ème dan federaly). […]

Africa Padel cup of Nation 2024: voahosotra ho tompondakan’i Afrika i Madagasikara

Nanakoako nanerana an’i Afrika indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’i Madagasikara. Norombahin’ny Malagasy ny amboara maha tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja Padel. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2024, amin’ny taranja Padel (Africa Padel cup of Nation) i Madagasikara. Fifanina­nana nokarakarain’ny Kaonfedera­siona afrikanina Padel (CAP), notanterahina tao amin’ny kianja Nouakchott […]