Manameloka ny famoronana Compte fake amin’ny anarany sy misandoka azy ny minisitra Andriantsitohaina Naina, araka ny nambarany tao amin’ ny Facebook. «Ampahatsiahivina hatrany ny tsirairay fa voarara ary mahavoasazy ny mamorona kaonty sandoka amin’ny anaran’olon-kafa’», hoy izy. Mazava ny kaonty ofisialiny: https://www.facebook.com/ AndriantsitohainaNaina?mibextid=ZbWKwL Nankatoavina tetsy Anosy, tamin’ny alalan’ny atrikasa fakan-kevitra, […]
Auteur/autrice : Adnews
Raveloson Constant : “Tsy toy ny taloha ny politika amin’izao”
“Zavatra hafa izao no mipetraka. Taorian’ny septambra sy oktobra ary novambra nisian’ny “hetsika fotsy” ireny, hafa ny fipetraky ny raharaha. Tsy toy ny taloha intsony izany. Indrindra nohamafisin’ny fanjakan’antoko nanongana ny olom-boafidy izay filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha”. Izay ny fijerin’ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant, ny amin’ ny ho fandehan’ny toe-draharaham-pirenena […]
Depiote modely!
Fifidianana aloha izao no malaza dia drindran’Ingilo ihany koa ny resabe manodidina izany. Anisan’ny mahabe resaka, nanomboka afakomaly, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra anatin’ny andro fanaovana fampielezan-kevitra. Mirarakompana ny fitokanana zava-bita. Lohalaharana ny any amin’ny faritra izay heverina fa mampatanjatanjaka ny mpifanandrina, indrindra ireo zanaka an-trano natosi-bohontanana. Hita fa miridana […]
Fampiharan’ny Ceni ny mangarahara : malalaka ho an’ny kandidà ny lisitry ny mpifidy
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa mampihatra hatrany ny mangarahara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny lisitry ny mpifidy. “Misokatra amin’ireo kandidà depiote ny lisitry ny mpifidy, nofaranana ny 15 mey teo”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nambarany fa azo atao ny maka izany saingy tsy maintsy […]
TSELATRA
Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny lalana mampitohy an’i Mahasolo sy Bemahatazana. Teo amin’ny toerana atao hoe Ampoharamaso, fokontany Fenomanana, kaominina Mahasolo no nitrangan’izany, afakomaly. Nivoaka tampoka ny lalana ny “tracteur” nentin’izy mivady vokatry ny olana ara-teknika. Naratra ilay ramatoa vadiny. Naiditra eny Tsiafahy, afakomaly, […]




