Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Marihina isaky ny 5 mey ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona na rasazy. Any amin’ny distrikan’i Farafangana no hanaovana ny hetsika ofisialy, amin’ity taona ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fampihenana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra rehefa misy voina miseho, ny mpampivelona, araka ny lohahevitra nosafidiana. Atrikasa ho fankatoavana […]

Fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny: tsy mbola ampy ny rasazy am-perinasa

14 500 ny isan’ny mpampivelona misoratra amin’ny lisitry ny Holafitry ny mpampivelona hatramin’ny volana mey taona 2023, araka ny nambaran’ny filohan’ny Holafitra, Ranoromalala Oméga. Mano­didina ny 6 000 no misehatra mikarakara amin’ny fananahana ara-pahasalamana. Ra­sazy telo mikarakara vahoaka 10 000, raha tokony ho misahana olona 5 000 ny mpampivelona iray, araka ny fenitry ny […]

Fandaharanasa PAYLP 2024 : tanora telo mianadahy nahavita fiofanana

Nahavita ny programa narahin’izy ireo tany Etazonia, nandritra ny fandaharanasa “Pan Africa Youth Leadership Program” (PAYLP 2024), ireo Malagasy 3 mianadahy. Nahazo fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, nifanakalo traikefa tamin’ny tanora Afrikanina hafa ary nihaona tamina tomponandraiki-panjakana Amerikanina izy ireo, niaraka tamin’ny mpanao tantsoroka. Nandray anjara tamin’ny hetsika fifanakalozana ara-kolontsaina sy […]

TARATRY ny KANTO

Piment Café – Revy Lôlô sy ny tariny. Mitohy hatrany ny “fitetezam-pokontany”, araka ny filazan-dry Benny, Bebey ary Nini azy. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Any Tsiroanomandidy ry Zandry Gasy […]