Mampanao fifaninanana famoronana tetikasa vaovao (Star-up) ny fikambanana japoney Mizunami Africa ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (TPE-PME) malagasy. Iarahana miombon’antoka amin’ny NextA, ao anatin’ny vondrona orinasa Axian izany, entina hampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialy eto Madagasikara. Hovatsian’ny Fondation Mizunami Africa vola mitetina 30 tapitrisa Ariary tsirairay avy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Behenjy : hamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano
Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny toby mamatsy herinaratra avy amin’ny tohodrano ao Behenjy. Tanjona ny hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Manana tanjaka 1,4 MW ity toby ity, mamokatra herinaratra 900 000 Kwh isam-bolana, avy amin’ny reniranon’Andromba, Behenjy, naorina ny taona 2015. Mitantana azy ny orinasa Hydromado. Mamatsy olona 700 […]
Tetikasa Taratra: mahakasika ny harena an-kibon’ny tany
Nitohy any Ranobe, kaominina Ankilimalinike sy Tsiafanoka, kaominina Tsianisiha, samy distrika Toliara II, ny fampahalalana ny mponina ny zony sy ny tombontsoa tokony ho azony mahakasika ny tetikasa Taratra. Voakasik’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany sy ny fananan-tany. Loabary an-dasy novolavolain’ny kaonferansin’ny eveka, iarahany amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, […]
Fifanakalozana : misokatra ny vavahadin-tseraseran’ny varotra
Nampahafantarina, ny talata teo, teny Anosy, ny tranonkalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra, Portail d’informations commerciales de Madagascar (PICM). Hanampy ny mpandraharaha, mpivarotra, tantsaha mpamokatra, ny kaoperativa mpianatra sy mpikaroka ary ny sarambabem-bahoaka izany. Ampy ahazoana ireo antontan-taratasy samihafa, toy ny fangatahana torolalana momba ny varotra ny fidirana amin’ny rohy www.pic.commerce.mg. […]
Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV
Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo […]




