Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika. Mitobaka eny an-tsena, araka izany, ny vary avy any an-toerana ka tsy atahorana ny tahiry. Ankehitriny, tafidina hatrany amin’ny 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry raha mbola 1 630Ar izany teo aloha. Midina ho 2 350Ar ihany koa ny kilaon’ny vary fotsy raha 2 500Ar ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampandrosoana ny toekarena : vonona hiara-hiasa amin’ i Madagasikara ny FMI
Hanohana sy hanampy ny firenena malagasy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Vonona hanatanteraka ny fandaharanasan’ ny FMI i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny delegasionina malagasy mandritra ny fihaonamben’ny lohataona any Washingthon DC. Voaresaka manokana ny momba ny […]
Aretina vokatry ny loto: mirongatra ny lagaly, mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana
Nahitam-piakarany ny tahan’ny olona voan’ny aretina lagaly tao anatin’ny roa taona izay, raha ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pitsaboana nanaovana fanadihadiana. Mampalahelo fa heverin’ny ankamaroan’ny olona fa aretin-koditra vokatry ny tsy fahazakana sakafo na aretin’aty izy io. Nahitana fitomboana ny trangan’aretina lagaly amin’izao fotoana izao. Taloha nahalana be ny fahitana olona […]
FANTINA sy FINTINA
Mitsidika ny any Hongrie ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voaresaka amin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny hiarahana miasa eo amin’ny samy oniversite. Anisan’izany ny vatsim-pianarana mankany amin’ity firenena ity. Eo koa ny hahatongavan’ireo Hongrois mpampianatra hanofana ny momba ny fambolena… Takin’ny CSI ny hanafoanana ny vaomieran’ ny HCJ eny […]
Fifidianana depiote : niantso ny hiarovana ny safidiny ny Kolektifa
Nambaran’ireo kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy eny Avaradrano fa tokony hijoro sy hiaro ny safidiny ny olom-pirenena. Nentaniny ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zotram pifidianana ny rehetra. Teo koa ny fanentanana hifidy. “Anay sy antsika miaraka avy eo ny tohiny. Hifankahita eto isika raha misy mangala-bato na manodina ny safidim-bahoaka. […]




