Auteur/autrice : Adnews

Ifotony misy fotony

  Tsy misy fotony? Na antony, na dikany… Amin’izao, atao ny fidinana ifotony ary imasoana ny fampandrosoana ifotony. Hanao ahoana? Efa fantatra izay mampikaikaika ny vahoaka hatramin’izay, tsy mbola tena voavaha amin’ny fomba mahomby sy azo antoka ary maharitra matoa tsy mahafa-bela. Voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, fa misy […]

Fiatrehana fifidianana: hanenjika ny kandidà tsy manara-dalàna ny Ceni

Nilatsaka ny fampitandremana. Hentitra ny fepetra noraisin’ny Ceni amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. “Amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, tsy misy na inona na inona azonay atao amin’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mpirotsa-kofidina. Tsy misy lalàna mamaritra ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, mo­mba ny fanaovana […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nisandoka ho kaomiseran’ny polisy, ny 15 avrily teo. Vao­sambotry ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC4 tao Toamasina izy ny 9 avrily teo. Nangalany vola ireo voasolokiny satria nilaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana ny tenany. Nahatrarana basy kilalao teny aminy. Mitaky lelavola 140 tapitrisa […]

« Opération Harato II » : dahalo mpaka an-keriny lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao Amparihikapika, 7 km avaratra andrefan’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, ny 14 avrily teo. Nokarohina nanomboka ny taona 2021, i Gué. Naha­ray fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody tao Ikelimahavoky io […]

Ankadinandriana : dimy lahy mpangalatra omby voasambotra

Tratra tao an-trano fonenany ny lehilahy iray tompon’ antoka tamin’ny halatra omby, tao Ambohinonoka, fokontany Soamonina, kaominina Ankadinandriana, ny 18 avrily teo. Nahatraran’ny mpitandro filaminana nofon-kenan’omby roa gony nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tao Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga, ny herinandro lasa teo. Nisy nangalatra ny ombin-tsarety ka taolany sisa navelan’ireo […]