FANTINA sy FINTINA

Mitsidika ny any Hongrie ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voaresaka amin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny hiarahana miasa eo amin’ny samy oniversite. Anisan’izany ny vatsim-pianarana mankany amin’ity firenena ity. Eo koa ny hahatongavan’ireo Hongrois mpampianatra hanofana ny momba ny fambolena…
Takin’ny CSI ny hanafoanana ny vaomieran’ ny HCJ eny amin’ny Antenimiera. Nambaran’izy ireo, ny herinandro teo, fa sakana amin’ny ady amin’ny kolikoly io vaomiera io sy ireo solombavambahoaka. “Tsy tonga eny amin’ny HCJ akory ireo antontan-taratasy fiampangana ireo mpitondra ambony”, hoy ny filoha mitarika ny CSI, Rabenarivo Sahondra.
Namindra vonjimaika ny fitantanana ny Synad amin’ny sekretera jeneraly, Rabenandrasana Nicolas, ny filoha am-perinasa, Raholinarivo Paolo. Anton’izany ny firotsahany hofidina solombavambahoaka etsy amin’ny boriborintany I. Voalazan’ny lalàna ny fiatoana asa vonjimaika tahaka izany raha kandidà ireo administratera sivily.
Naneho ny fanohanany ny kandidàn’ny Firaisankina eny Avaradrano ireo vehivavy eny an-toerana. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel Air izy ireo, ny sabotsy teo. Nohamafisin’ny fanambarana fa manohana hatrany ny kandidà atolotry ny filoha Ravalomanana ao anatin’ny vovonana Firaisankina izy ireo.

Partager sur: