TSELATRA

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nisandoka ho kaomiseran’ny polisy, ny 15 avrily teo. Vao­sambotry ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC4 tao Toamasina izy ny 9 avrily teo. Nangalany vola ireo voasolokiny satria nilaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana ny tenany. Nahatrarana basy kilalao teny aminy.
Mitaky lelavola 140 tapitrisa Ar amin’ny fianakavian’ireo olona nalainy an-keriny ireo dahalo nanafika tao Fie­­ferana, distrikan’Anjozorobe, amin’izao fotoana. Naka takalonaina tao amin’io tanàna io izy ireo ny alatsinainy 15 avrily teo. Olona telo no lasany tamin’izany izay vehivavy ny roa.
Mpangalatra akoho niharan’ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona ka saika maty tao Saboko-Ambo­divoara, distrikan’i Sambava, ny marain’ny zoma 19 avrily teo. Tratran’ny tompon-trano teo am-pangalarana ny entana izy. Raikitra ny ady. Voa mafy ilay mpangalatra.
Zazavavy herintaona latsaka tao anaty rano ka nifampitadiavan’ny fianakaviany teo amoron-dranon’i Bemarivo, tao Marojala, Sambava, afakomaly maraina. Varimbariana ny reniny. Niantsoantso vonjy ireo ankizy nilalao fa nilentika anaty rano io zaza herintaona io.

Partager sur: