Auteur/autrice : Adnews

Tsena voatafika tetsy Itaosy: Valo lahy misaron-tava, nandratra olona roa

Naratra voatifitra sy voadaroka ny lehilahy roa teny Itaosy, afakomaly alina. Valo lahy misaron-tava nanafika tsenakely. Voaroba ny vola 1 000 000 Ar sy finday dimy. Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana, ny tsena iray etsy Antsahakely, fokontany Maro­biby, kaominina Ambanivo­hitra Fiombonana, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 12 […]

Mahajanga-CRRA : Hananganana fomba fiasa manara-penitra

Tanterahina any Maha­janga, hatramin’ny zo­ma, ny atrikasa fananganana fitsipika sy fomba fiasa manaraka ny fenitra eo anivon’ny foibe fiantsoana CRRA. Fantatra fa natsangana eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka ny Fita­leavan’ny foibe fanampiana ara-pitsaboana vonjy taitra (DCamum), tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny rafitra fikarakarana ara-pahasalamana mialoha ny fidirana ho­pitaly eto Madagasikara. Mandray […]

Indray mijery

Efa misandrahaka ny oniversitem-paritra, toy ny any Sava, Mandritsara, Antsohihy, Menabe, Anosy, Ampanihy, Antsirabe, Itasy… Efa miasa sy mandray mpianatra avokoa izy ireny. Centre regional no nisy tany am-piandohana. Rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra dia navadika ho lasa oniversite mahaleo tena tanteraka. Momba ny fanadinana bakalorea, ao anatin’ny fanomanana tanteraka […]