Noleran’ny olon-dratsy antsy teo akaikin’ny faritry ny fo, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 34 taona tao Betafo, afakomaly. Nitety tsena ary nikasa hitodi-doha hamonjy fodiana, nobahanan’ny olon-tsy fantatra tampoka ny moto nentin’ilay lehilahy, ny alin’ny alarobia 19 hifoha ny alakamisy 20 aogositra teo. Nitondra vehivavy iray tamin’ny moto izy, […]
Auteur/autrice : Adnews
Gadra efatra nandositra : Mpiandry fonja roa lahy naratra
Noratrain’ireo gadra miisa efatra tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, ka voatery nentina hopitaly ny mpiandry fonja roa lahy tao Andaloasy, kaominina Soajaovato, distrikan’i Diego II, afakomaly. Nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny amin’ny mpiandry fonja ireo efa-dahy saingy tsy nahomby ny teti-dratsin’izy ireo. Nanao izay ho afany nanoherana ny mpiambina izy efatra mirahalahy. […]
Taksiborosy tra-doza : Mpandeha iray namoy ny ainy, enina naratra
Nandeha mafy, nifatratra tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka, teny amin’ny RN44, omaly. Tsy tana ny ain’ny mpandeha iray. Nivoaka ny arabe, namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana tao Ambohidray, kaominina Morarano Gare, distrikan’i Moramanga, lalam-pirenena faha-44, omaly maraina. Taksiborosy miloko mena mampitohy an’Ambatondrazaka sy Antananarivo niharan-doza. «Niala […]
Fitaterana : Ho hentitra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana
Ialohavan’ny fanentanana ny sazy, araka ny fanambarana sy fampahafantarana. Nampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fanajana ny lalàn’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ireo tomponandraikitra misahana izany. Handray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ireo rantsamangaikany, ahitana ny avy amin’ ny Antokondraharaha momba ny fitaterana an-tanety sy ny avy amin’ny DSPAR. Manampy azy […]
Antenimierampirenena : Notsidihin’ny delegasionina frantsay
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay, notarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny, i Bruno Fuchs, afakomaly. Niara-dalana taminy ny mpanolotsaina ara-diplaomatika sy ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara. Ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Frantsa no tena niompanan’ny fihaonana. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, […]




