Handao tsy ho ela an’i Madagasikara. Voatendry ho « Nonce Apostolique » any Pérou, ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, araka ny fanendrena sy fifindran-toerana eo anivon’ny Fiketrahana Masina, any Vatikana. Andraikitra nosahaniny teto amintsika ny fitantanana ny lafiny diplaomasia niahiany ny Nosy Kaomora sy i Seychelles ary ny Nosy Maorisy nanomboka tamin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Mozika klasika: hanolotra seho roa ny Madagascar Orchestra
Ny 19 aogositra izao ny voalohany, ao amin’ny Cgm Analakely. Hatao ny 21 aogositra kosa ny seho faharoa, ao amin’ny Ekar Faravohitra. Ireo indray ny fotoana homen’ny Malagasy Orchestra ho an’ireo mpankafy mozika klasika. Hitarika ny orikesitra i François Maugrenier sy Rakotoarimino Antsanirina, ka hamelona indray ny « St Paul’s […]
FJKM Tranovato Ambatonakanga – Lehilahy Midera : homarihana ny faha-185 taonan’ny maritiora Malagasy
Ho feno 185 taona, ny alahady 14 aogositra izao ny namonoana an-dRasalama, maritiora kristiana voalohany teto Madagasikara. Hanamarika izany amin’ny fomba miavaka ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny maha Fiangonana malagasy voalohany azy. Fanamarihana hotanterahina ny 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny toriteny […]
Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny
Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19 eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao […]
Fahasalamana: hapetraka eny amin’ny CSB ny fitiliana ny nendran-drajako
Hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Mailo i Madagasikara ka hametraka fitiliana ho an’ireo tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hapetraka eny amin’ny CSBII ihany koa ny fitiliana. Nilaza ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana, Fidiniaina Andriantsarafara , omaly fa efa eo am-panomanana ny fametrahana ireo fitiliana ny tsimokaretona nendran-drajako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy […]