Auteur/autrice : Adnews

FITSABOANA MAIMAIMPOANA: nilaharana ny tolotra tetsy Antanimenabe – Ankorondrano

Tolotra nampiavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny fanaovana vaksiny maimaimpoana ny saka sy ny alika, hisorohana ny aretina haromotana. Lafo rahateo ny vaksiny natokana ho azy ireny eny amin’ny mpitsabo biby. Nomarihina tamin’ny to­lotra fahasalamana mai­maimpoana manatona vahoaka ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana sy ny […]

Basikety-“All Step”: mampiseho ny tanjany hatrany ny LSFX

Niditra amin’ny andro faharoa, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Inter-Lycée-All Step” karakarain’ny ligin’Ana­la­manga, taranja basikety. Fifaninanana hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena sy ny federasiona malagasin’ny basikety. Raha nahazo fandresena tamin’ny andro voalohany ny Lycée Saint François Xavier (LSFX), mbola nampiseho ny tanjany hatrany izy ireo afakomaly. Samy nampiseho izany avokoa […]

Atletisma 100 m sy 200 m : nandrombaka medaly volafotsy roa i Claudine

Nisongadina tanteraka i Nomenjanahary Claudine, Malagasy atleta, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Grand Prix International CAA Yaoundé”, izay natao tany Cameroun, afakomaly. Nan­drombaka medaly volafotsy roa, raha niatrika ny famaranan’ny hazakazaka 100 m sy ny 200 m. Raha ny teo amin’ny 100 m, novitainy tao anatin’ny 11.41 segondra, 23.97s kosa ny […]

DAKA AN-JORONY: Langalangao ho laingalaingaina

Tapitra hatreo ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar tao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny volana marsa teo. Samy nandray lesona ny tsy nety tamin’ireo vokatra azo ny rehetra manomboka any amin’ny federasiona, mandalo amin’ny mpanazatra ary hatrany amin’ireo mpiantsehatra mivantana dia ny mpilalao izany. Tsy afa-miala ao anatin’izany koa ny […]

Sombim-baovao

Nahazo ny laharana faharoa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny Oniversite ao Frantsa, taranja Echecs, Rakotomaharo Fy, teratany malagasy mpilalao Échecs, monina any Frantsa. Isa 7,5/9 no azony tamin’ity fifaninanana ity. Niatrika fampivondronana tany Moramanga, ny 4 hatramin’ny 7 avrily teo, ireo Malagasy karateka, sokajy U12, U14, U16, U18 ary Seniors. […]