Auteur/autrice : Adnews

Tarika Reko Band : nampiara-peo tamin-dry Mirado sy Bolo

Tontosa omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana nataon’ny tarika Reko. Natrehan-dry Mirado sy Bolo, mpanakanto nasaina. Tonga maro nanatrika ny seho teny an-toerana ireo tanora lahy sy vavy, mpankafy. Nafana ny fiarahana teo amin’ny mpankafy sy ireo mpanakanto nandritra ny seho. Tsy nijanona ny fanarahana sy fampiaraham-peon’ny mpijery tamin’ireo mpankanto. […]

Aretina vokatry ny loto : mahavaky tsinay ary mitarika amin’ny tsy fahatsiarovan-tena lalina ny tefoidra

Vanim-potoana mampirongatra aretina maro ny fahavaratra tahaka izao. Antony ma­ha­tonga izany ny fiparitahan’ny loto entin’ny rano sy ny fako eny rehetra eny ka mampiparitaka ny tsimokaretina. Tafiditra ao anatin’izany ny tefoidra na fièvre typhoïde. Aretina mety mahafaty vokatry ny otrikaretina antsoina hoe: “Salmo­nella typhi” ny fièvre typhoïde. Anisan’ny aretina azo […]

FANTINA sy FINTINA

Hifampitady any Manjakandriana ny Irmar, Razafindrakoto Solofo, sy ny Firaisankina, Rakotoarisoa Alban na i Babà, amin’ny fifidianana depiote. Kandidà any Antalaha ary lisitra faharoa kosa ny mpanakanto Jerry Marcos, miaraka amin’i Nasira Julien. Atolotry ny mahaleo tena Fivoy ao Andramasina ny depiote Tim amperinasa, i Bina. Nirotsaka ho kandidà mahaleo […]

Fiombonana: “Tsy misy ny fahamarinan-toerana politika eto”

“Ahina ny famatsiam-bolan’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha vao miresaka fandikan-dalàna sy fanalana olona voafidim-bahoaka amin’ny fomba tsy ara-drariny, midika izany fa tsy misy ny fahamarinan-toerana politika eto Mada­ga­sikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fiparitahan’ny vaovao navoakan’ny Africa Intellingence. Man­ga­taka ny hanoloana ny ambasadaoron’ny Vondrona […]

Sao mikolokolo kolikoly

  Tsy hahomby izay ady amin’ny kolikoly raha tsy ny toe-tsaina no miova, raha ny tenin’ny tomponanandraikitra iray eo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Aiza ho aiza izay fiovana sy fanovana toe-tsaina izay? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena resy lahatra amin’ny ady atao? Fanetriben’ny firenena ny kolikoly: tsy […]