Auteur/autrice : Adnews

Adim-poko tany Rwanda: «Miray fo amin’ny vahoaka Rwandais ny Malagasy»

Nanamarika ny faha-30 taonan’ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao aminy ny vahoaka Rwandais. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly, tao Kigali. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Nanombohana ny hetsika, omaly, tany an-toerana, ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy. […]

TSELATRA

Enin-dahy nahatrarana taratasy hosoka famarotana moto nosamborin’ny zandary teny Ambo­himan­gakely, afakomaly. Mpanao taxi-moto iray lasibatry ny halatra tao Ambatomaro, ny 4 aogositra 2023. Nambanan’ny olon-dratsy sabatra izy ka tsy afa-nanda. Nampandre ny zandary izy. Olona roa naratra, lasan’ny jiolahy ny vola 1 ta­pi­­trisa Ar tao Fiantsonana, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Vatan-dehilahy […]

Nikasa hitsoaka: Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanenjehana jiolahy nataon’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina. Nifanehatra tamin’ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, sy ireo namany ny jiolahy gagilahy amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana tamin’io fotoana io. Efa namerimberina rahateo ny kaomandin’ny Fip fa tsy […]