Nisokatra, omaly ny fandraisan’ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina (Ovec), ho an’ireo kandidà solombavambahoaka. Mbola nangingina ny andro voalohany. Hiasa tsy an-kiato isan’andro mandra-pahatongan’ny ora farany na amin’ny andro tsy iasana aza ireo eo anivon’ny Ovec sy ny Ivon-ketra mandray ny dosie an’ireo kandidà. Mbola miandry toromarika kosa ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Fitsinjaram-pahefana: Tafapetraka avokoa ny governora mpisolo toerana
Feno tanteraka ny toeran’ny governora manerana ny Nosy. Voatendry, omaly, nandritra ny filankevitry ny minisitra ireo rehetra mpisolo ny toerana banga. Niarahan’ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika nanaiky ny fandaniana ny didim-panjakana manendry azy ireo. Ramatoa Bevazaha Marie Annick ho an’Analanjirofo , Sabire Jérôme, ho governora mpisolo toerana ao […]
Tiorkia: Hanampy ny tetikasa Tanamasoandro
Tonga eto amintsika ireo mpandraharaha Tiorka ary vonona ny handray an-tanana ireo tetikasa goavana. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavy, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaka ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana. Anisan’izany ny Tanamasoandro. Tohin’ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany Tiorkia volana vitsy lasa izao fahatongavan’ireto mpampiasa vola ireto. Niaraha-nidinika […]
Rabevahiny Elia : “Tsy ny Malagasy no nanapoaka ny 29 marsa 47”
77 taona katroka ny “Raharaha 29 marsa 47”. Aiza ho aiza ny fahalalana sy fahatsiarovana ny tantara? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny “Raharaha 29 marsa 47”? Rabevahiny Elia (-): Toy ny isan-taona, mahatsiaro manokana ny Otrikafo… Fahatsiarovana no atao […]
Depiote Masy Goulamaly: “Tsy mbola mahaleo tena isika”
“Raha ampitahaina ny tamin’ny 29 marsa 1947 ny amin’izao, toy ny ny tamin’ny 1991, 2002, 2009… : mbola miady hatrany isika. Tsy fantatra hatramin’ izao izay iadiana hoe: mitaky fahafahana?”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Tsiombe, i Masy Goulamaly, amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Marina fa hoe […]




