Nitondra ora-nikija ho an’ny tapany avaratra ilay rivodoza Gamane izay niditra an-tanety tao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar, faritra Sava, omaly maraina. “Tsy nihetsika firy izy, omaly tontolo andro, fa nianatsimo tsikelikely ny fizotrany hatramin’ny anio maraina. Tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny ditrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo izy rahampitso sy anio », […]
Auteur/autrice : Adnews
Tobin-jandary: nitsidika ireo traboina ny minisitra Fomendraza
Nitsidika ireo traboina vokatry ny haintrano tetsy amin’ny Caserne an’ny zandarimaria Mahazoarivo ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, ny alarobia teo. Nanolotra ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy. Nahita kidoro sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia miaraka amin’ny fitaovam-pianarana izany. Naneho firaisankina tamin’ireo tokantrano 19 niaram-boina ny minisitra. “Vary […]
« Safidiko ny momba ny vatako » : nampitombo ny vehivavy sembana nanatona hopitaly
Nifarana ny tetikasa “Safidiko ny momba ny vatako” ho fampivoarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy manana fahasembanana. Nisahana izany ny fikambanana Afham tao anatin’ny 17 volana. Faritra roa, Alaotra Mangoro sy Amoron’i Mania, no nanaovana ny tetikasa. “Tsy mbola nanana sampan’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ireo faritra ireo. […]
Fitoriana eny amin’ny HCC: manohana an-dRazanamahasoa Christine ny MMM
Naneho ny heviny, manoloana ny fitorian’ny IRD ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine eny amin’ny HCC ny MMM. Nohitsin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa manjaka ny tsy tan-dalàna ka niantsoany ireo Andrim-panjakana isan-tokony hijoro ho arofanina. “Aoka hanaja sy hanaraka ny lalàna mba tsy ho tsarain’ny tantara”, hoy izy tetsy Ankerana, omaly. Nankahery ny […]
Ratolojanahary Maharavo: “Aoka tsy hatao takalon’aina ny vahoaka”
Nambaran’ny tale kabinetran’ny filohan’ny Antenimiera, Ratolojanahary Maharavo (Doudou) fa misy fetrany ny zava-drehetra. “Aoka tsy hoterena tsy hanara-dalàna indray ny HCC. Aza atao takalon’aina ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy. Valin-kafatra nentiny manoloana ny nitorian’ny IRD sy hanonganana an-dRazanamahasoa Christine tsy filohan’ny Antenimieram-pirenena izany. Nohitsiny fa zary tsy misy lanjany intsony […]




