Tranoheva am-polony no mampiranty ny hetsika ataon’izy ireo momba ny toetry ny andro eny Analakely. Anisan’izany ny GIZ. «Raha tsy misy ny hetsika momba ny toetry ny andro hampihenana ny fiantraikan’ny fiovany, afaka 80 taona, hitombo 5°C ny hafanan’ny tany eto amintsika», hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Rija, Luk ary Mahery. Angamba ity fiarahana ity no tena manamarika indrindra ny Piment Café Behoririka. Hiverina ao indray izy telo mirahalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ankoatra ireo hirany manokana, ilay mamerina hirana mpanakanto hafa no tena hanarahan’ny mpankafy ity fampiarahana talenta ity. […]
Iray Fy’Art : hiaka-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza
Hanokafan’ny tarika Iray Fy’Art ny fampisehoany amin’ity taona ity ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza. Hotanterahina ny alahady izao, amin’ny 1ora tolakandro, eo anoloan’ny “Cantine” CEG Mahazaza izany. Lohatenin’ny seho hataon’izy ireo : “Ny herin’ny vola”. Tantara maneho ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina […]
« Star Tour » Antsirabe: hanafana ny sehatra ry AmbondronA, Samoëla, Oladad…
Toy ny mahazatra, ny fetin’ny Paka any Antsirabe no manokatra ny « Star Tour ». Mpanakanto malaza maromaro no hifandimby an-tsehatra, mandritra ny telo andro amin’ity. Lanonana telo andro tsy an-kiato. Toy ny isan-taona, hosokafana any Antsirabe, mandritra ny fetin’ny Paka ny “Star Tour 2024”. Ny 30 sy 31 marsa ary ny […]
« Up Short Contest »: sarimihetsika 15 no hiatrika ny famaranana
Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fandefasana sy fifidianana ireo sarimihetsika miisa 15, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ao anatin’ny « Up Short Contest », andiany voalohany, karakarain’ny Cine Up. « Ireo adin’ny vehivavy malagasy ». Io no lohahevitry ny fifaninanana izay ezahin’ireo mpifaninana resahina ao anatin’ny sarimihetsika mandritra ny 30 segondra hatramin’ny […]




