Auteur/autrice : Adnews

Filankevitry ny minisitra : nadinin’ny filoha ny 100 andro ireo minisitera roa

Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika ao anatin’ny 100 andro. Minisitera roa indray no nanao ny fanolorana ny tomban’ezak’izy ireo nanoloana ny filohan’ny Repoblika, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nohenoin’ny filoha tamin’izany ny vita sy ny vina ho an’ny andro sisa tavela amin’izany 100 andro izany, ho an’ny minisiteran’ny Jono […]

TSELATRA

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy teny Talatamaty, ka nentin’ny polisy avy hatrany. Nahatrarana rongony 40 fonosana tao an-tranony nandritra ny fisavana. Mahalafo rongony 30 000Ar isan’andro izy, raha ny filazany tamin’ny polisy. Nidoboka am-ponja vonjimaika […]

Minisitry ny Foloalindahy: « Tsy maintsy tratrarina ny tanjona napetraka”

Nahitsy ny hafatra nomen’ ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) Sahivelo Monja Lala Delphin amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany, nandritra ny lanonana roa sosona notanterahina teny Ivato. Teo ny nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety vaovao ny fibaikoana, ny Jly Rakotoson Jocelyn sy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etama­zaoron’ny Tafika ana habakabaka, […]

Fifandonana nahery vaika: Zandary iray namoy ny ainy

Zandary iray namoy ny ainy vokatry ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, tao amin’ny tanànan’i Vohasina, fokontany Ambalamontana, kaominina Amborompotsy, distrikan’Amba­tofi­nandra­hana, ny marain’ny talata 19 marsa teo. Dahalo 50 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io tanàna io. Nifano­me-tanana ny fokonolona sy ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Amboropotsy nisambotra ireo mpandroba. Nanapoaka basy avy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 29 marsa ho avy izao ny fihodinana faharoa savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”. Lalao 16 no hatao amin’io andro io. Anisan’ireo faritra handray lalao amin’izany ny any Ambanja, Ambilobe, Ambositra, Antalaha, Antananarivo, Fenerive-Est, Ihosy, Imerintsiatosika, Manakara ary Mahajanga. Hotanterahina eto Antananarivo, ny 24 – […]