Nitondra ny tenin’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny tale kabinetrany, Ratolojanahary Maharavo (Doudou), omaly, tetsy Tsimbazaza. Nambarany fa hatao ny sabotsy izao, eny amin’ny Antenimierampirenena ny famoriana ny herivelona rehetra, hihainoan’ ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny feon’izy ireo. “Miantso ny rehetra izy ary hihaino ny hevitra sy ny vahaolana manoloana izao tranga eto amin’ny firenena izao”, hoy i Doudou. Notanisainy amin’izany ny
olan’ny herinaratra, ny lalana, ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana…
Nohitsiny fa efa nanao fifidianana hatrany isika teto saingy tsy nahavaha olana izany. Niteraka krizy aza ary tonga hatramin’ny disadisa, araka ny nambarany. “Tena marary ny firenena ary mila fanasitranana. Ilaintsika ny fitoniana fa tsy tokony ho any amin’ny fifidianana aloha. Efa niaraha-nahita teo izany ka handroso vahaolana ny filohan’ny Antenimierampirenena”, hoy ihany izy.
Notsiahiviny fa maherin’ny 900 ireo vondrona sy fikambanana nasaina sy ho avy eo ka anisan’izany ny vovonana Pan-FFKM, ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko sy vondrona politika, hitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena. Miainga amin’ izany ny ho fanambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine. Araka izany, mifandray amin’ny diany tany Frantsa farany teo ve izao ka nilazany fa tsy ny rafitra no olana eto fa ny olona?
Synèse R.




