Auteur/autrice : Adnews

Noelin’ny firaisankina : hizaran’ny Orange Solidarité sakafo sy kilalao ny fianakaviana 2300

Hetsika fanaon’ny Orange Solidarité Madagascar ny ma­malifaly sy mizara fanomezana sy sakafo ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana, rehefa fetin’ny Noely isan-taona. Teny amin’ny kianjan’ Alarobia no nanaovana ny hetsika ny faran’ny herinandro teo izay mbola hitohy amin’ny toerana maro manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Mahatratra 2 300 ny […]

Fisaraham-panambadiana : lany andro ny lalàna mifehy azy

Natsinkafon’i Nam­binin­tsoa Joséphine Prisca, “M.2” sampam-piofanana lalàna anivon’ny oniversiten’ Ankatso nandritra ny fanohanana ny voka-pikarohany, natao tao Ankatso, ny herinandro lasa teo, fa efa lany andro ny lalàna mifehy ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ka lasa mitondra voka-dratsiny amin’ny reny sy ny taranaka izany. Raha mitranga amin’ny ankohonana iray ireo, […]

Tsy afaka mihetsika ny rantsam-batana: nomen’ny filoha seza misy kodiarana i Sedera

Vokatry ny fahavoazana eo amin’ny tsokan-damosina, tsy afaka mihetsika ny ratsam- batana ambanin’i Sedera. Nivonto koa ny tongony satria nivaingana ny ra ka nanentsina ny “veine” teo amin’ny foto-peny. Ny talata lasa teo no tonga teo amin’ny CHURJA indray i Sedera, ilay ankizilahy voan’ny balan’ny jiolahy tany Toa­masina, ny fiandohan’ny […]

Volley ball-CCCZone: mety ho 3 ny ekipa vehivavy malagasy

Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’izao ireo klioba malagasy hiatrika ny fifaninanana CCCZone 7 (Coupe des clubs Champions Zone 7), taranja Volley ball. Fifaninanana hatao ny volana febroary 2023 izao any Maorisy. Raha ny loharanom-baovao, nangataka tamin’ny Federasiona malagasy ny volley handray anjara amin’ity CCCZone 7 ity ny ekipan’ny Bi’As, ka mety […]