Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
COMFWB Trade Fair : hanasongadina ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola maitso
Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo. Hotontosaina eto Antananarivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Business (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]
Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy
Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Nametraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindrandrahana ny DRTP, ny 22 febroary, ary […]
Aretin’omby « boroka »: maherin’ny 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fatiantoka any Ihorombe
Araka ny antontanisa voarain’ny veterinera na ireo dokotera mpitsabo biby, maherin’ny 100 ny reniomby matin’ny aretina « boroka » isan-taona any Ihorombe. Napetraka ny paikady hizarana fanafody sy vitamina ny reniomby hamahana ny olana. Voambolana fampiasa any amin’ny foko bara ny aretin’ omby « boroka », ilazana ny omby mahia sy sahozanina. Vokatry ny […]




