Efa vita, omaly, ny famindram-pitantanan-draharaha. Nialohavan’ny fananganan-tsaina voalohany tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, notarihin’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) an’Antananarivo, Ramanambintana Richard, izany. Tonga nanotrona io fotoana io ny ben’ny Tànana teo aloha, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Fanamafisana ny maha eo hatrany, mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra […]
Auteur/autrice : Adnews
Mahay mifampitsinjo
Raha somary kivikivy amin’ny rano sy ny loto izay entin’ny orana ny eto an-dRenivohitra, hita ho velombolo tanteraka ny mponina any ambany ravin-kazo rehetra any. Ampy tanteraka ny rotsakorana ho an’ny fambolena tamin’ity taona ity. Tsy dia hitan’ny vilany firy izany mahandro fotsy izany. Somary tsy ren’ny isan-tokantrano any […]
Antananarivo Renivohitra : nanolotra fitaovana handraofana fako ny Japoney
Ny filoha Rajoelina Andry mihitsy no nandray ireo fitaovana entina hadiovana ny tanànan’Antananarivo, omaly. Fanampiana avy amin’ny Japoney izany. Tontosa omaly ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana entina hanatsarana ny fifehezana ny fako eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa “Gesda”. Fanomezana avy amin’ny Japoney, amin’ny alalan’ny “Agence […]
TSELATRA
Rongony 60 fototra sy zanany anaty tavim-boninkazo no saron’ny zandary tao Befanitso, fokontany Morarivo, kaominina ambanivohitr’i Miandrarivo, Tsiroanomandidy, afakomaly. Tratra ihany koa ireo roa lahy mpiandry saha. Efa niditra am-ponja noho ny fambolena rongony ny tompon’ity sahan-drongony ity, ny marsa 2023, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray rehefa tafavoaka […]
Imerintsiatosika : Karohina ilay lehilahy nanolan-jaza
Hifampitadiavana ny lehilahy nanolan-jaza tao Merimandroso, Imerintsiatosika, ny alahady 3 marsa teo. Namoahan’ny mpitandro filaminana taratasy fikarohana ilay nahavanon-doza. Nirahin’ io tsy mataho-tody io nividy sigara ilay zazavavy tamin’io andro io. Nanatitra ny sigara tao an-tranon’ilay lehilahy, niharan’ny fanolanana ilay zaza vao 6 taona monja. Naratra mafy izy ary simba […]




