Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri tamin’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo […]
Auteur/autrice : Adnews
GEFP: haloan’ny fanjakana ny TVA 57 miliara Ar
Hiroso amin’ny fandoavana ny tataon-ketra (TVA) mitentina 57 miliara Ar ny fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ ny Groupement des entreprises franches et partenaire (GEFP) sy ny fanjakana malagasy, ny herinandro teo. Tompon’andraikitra voakasika voalohany sady solontenan’ny sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny minisiteran’ny Toekarena […]
Banky iraisam-pirenena: hamatsy vola 4 miliara dolara mahery an’i Madagasikara
Hanome famatsiam-bola mitentina 4 130 000 000 dolara an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasa goavana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana. Manokana teti-bola mitentina 4 130 000 000 dolara ny Banky iraisam-pirenena hamatsiana ireo tetikasa lehibe 26 ao anatin’ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara (Programme d’investissement de la Banque […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatramin’ny voalohan’ny taona 2024 . Ankehitriny, efa latsaky ny 16 000 dolara ny 1 taonina, araka ny tatitra navokan’ny London Metal Exchange (LME). Samy miatrika izao krizy izao ny firenena rehetra maneran-tany, anisan’izany i Madagasikara. Hiara-hiasa i Madagasikara sy Egypte amin’ny fambolena “dates” […]
Rotary Vovonana Analamanga: nahazo jiro ny fokontany 11 any Manalalondo
Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Manalalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatanteraka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsinjaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, […]




