Auteur/autrice : Adnews

Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambo­hi­tri­manjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina […]

Nikendry teratany vahiny : mpaka an-keriny telo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, jiolahy telo nikasa haka an-keriny teratany vahiny lavo teny Ambohibe, kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly alina. Nanohitra mpitandro filaminana hisambotra azy, namoy ny ainy avokoa ireo jiolahy rain-dahiny telo tratra teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Anka­dikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahare olona niteny: Mijanonà intelo izahay tato an-trano tamin’ny 12 […]