Auteur/autrice : Adnews

Boeny, Sofia ary Diana : hahery vaika ny onjan-dranomasina

Nampitandrina amin’ny ala­lan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisi­an’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besa­lampy) no misy izany rahom-baratra izany. Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko […]

Boriborintany I sy III: nifarimbona nanadio ny mpiara-miasa

Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadio­van’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]

Faritra Amoron’i Mania : fehezina ny aretina pesta, apetraka ny paikady

Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana. Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Name­traka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta […]

Raharaha vary simba: afaka ny ahiahin’ny mponina ao Taolagnaro

Mbola mitana ny sain’ny ankamaroan’ny mponina ny raharaha vary simba, izay voalaza fa haparitaka amina toerana samihafa, toy ny any Taolagnaro. Manoloana izany, nitsirika ireo magazay ao Ranomandry, Cascadeur, SK Distribution ary ny magazay Lovasoa ny sampandraharaham-paritra momba ny Varotra (SRC) ao an-toerana, tamin’ny alakamisy. Voapo­ro­fo fa tsara sy tsy […]