Auteur/autrice : Adnews

Soalihy Moussa : «Mila mahay maka lesona ny mpitondra»

“Marina tokoa hoe nanomboka tamin’ny 1991 no ho man­katy, tsy nisy filoham-pirenena nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa. Mila mahay maka lesona izany ny mpitondra, jerena ny hoe: inona tokoa no nahatonga an’izay hoe fe-potoam-piasana faharoa somary marefo izay?”. Io ny fijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, ohatra, […]

Badminton – «Mada junior» : nanjakan’ny SCI Itaosy ny fihaonana

Tontosa teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja badminton. Niaka-tsehatra tamin’izany ny sokajy «junior», lahy sy vavy. Nanjakan’ny klioba SCI Itaosy ny fihaonana. Lasan’izy ireo avokoa ny anaram-boninahitra miisa 4 tamin’ireo sokajy 9 niadiana. Anisan’izany, ny teo amin’ny sokajy U9 izay samy azony avokoa. […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipan’ny Real Madrid ny amboaran’i Espagne «Super coupe 2024» rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Barcelone FC, teo amin’ny lalao famaranana. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tany Arabia Saodita. Marihina fa ity no “Super Coupe” faha-13 azon’ny Real Madrid. Nifarana ny alahady lasa teo, […]

JIU-JITSU BRESILIEN: ho avy eto i Vicente Cavalcanti

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana, amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity. Anisan’ny hisongadina sy hanombohana izany ny fahatongavan’ilay teratany Breziliana, i Vicente Cavalcanti, eto Madagasikara, ny 29 sy 30 janoary izao. Hisy ny fanazarantena homen’ity mpikatroka Breziliana manana ny maha izy azy ity ho an’ny Malagasy mpikatroka ny […]

Rugby vehivavy : hampiantrano ny Can indray i Madagasikara

Fanindroany amin’izao no handray ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja rugby vehivavy, i Madagasikara. Hotanterahina ny volana mey izany. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 2 – 13 mey ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2024”, taranja rugby à XV, sokajy vehivavy. Manamafy izany ny fambaran-dRako­to­ma­lala Marcel, filohan’ny […]