“Aleo tsy manao fifidianana alohan’ny 15 mey. Manaraka, raha azo atao: aleo ny fifidianana depiote no handeha aloha any amin’ny fiandohan’ny jolay, ohatra. Aorian’ izay ny fifidianana kaominaly any amin’ny aogositra, ohatra”. Io ny tolo-kevitry ny avy amin’ny Cellule de moralisation de la vie publique-Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid) sady filohan’ny vovonana Comité d’éthique et de déontologie, Randriamalala Robert Charly, momba ny fiatrehana fifidianana manaraka.
Azo atao tsara ny manemotra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Milaza koa ny lalàna fa raha misy fahabangan-toerana, azo atao ny manendry PDS izay manao ny asan’ny ben’ny Tanàna. Amin’ny fifidianana depiote, sarotra be ny hoe fahabangana eo amin’ny andrimpanjakana eo anivon’ny parlemanta. Raha hanao fifidianana kaominaly amin’ny volana marsa, azo tanterahina ve ny fifidianana depiote volana mey na jona?
Ny olana: hanao fifidianana ao anatin’ny fahavaratra ve isika? Niezaka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni, fa mbola misy olona be dia be tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana ankoatra ireo vao feno taona. Raha azo atao, aleo tsy manao fifidianana alohan’ny 15 mey. Aorian’ny famaranana tanteraka ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izany. Amin’izay, mba samy misitraka amin’ny fandehanana mifidy ny olom-pirenena. Mbola misy iray tapitrisa no tokony hiditra amin’izany.
R. Nd.




