Mandalo eto Madagasikara ny Maitre international (MI) Rakotomaharo Fy, Malagasy mpilalao, taranja Echec, mila ravinahitra any Frantsa. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy. Gazety Taratra(*): Mandalo eto Madagasikara ianao, misy antony manokana ve ahatongavanao eto? Rakotomaharo Fy(-): Araka ny efa fantatra, tanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, […]
Auteur/autrice : Adnews
Tobin-drano Mandroseza : ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famatsian-drano
Ho tapaka mandritra ny adiny valo (9 ora hatramin’ny 5 ora hariva) ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, anio 12 janoary. Antony, hamboarina ny ampahan’ny tambajotra N14 mamatsy herinaratra, manana tanjaka 5 000 V any amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famokarana […]
Fasankarana : mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy ! Miverina nanomboka ny 5 janoary 2024 teo, ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT 58, mampifandray an’Ankadimbahoaka, Fasankarana, Jovena Anosizato. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny talen’ny Fotodrafitrasa, Razafindrianarivo Henri Jacob, ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), omaly. Miandraikitra ity fanarenan-dalana ity ny orinasa Colas, ao anatin’ny telo herinandro. […]
TOLOTRA «jirakaiky» : azo aloa eny amin’ny Cash point ny faktioran-jiro sy rano
Mitombo hatrany ny fomba azo handoavana ny faktioran’ny Jirama, hampihenana ny filaharam-be. Anisan’ny vaovao ny fandoavana azy eny amin’ny Cash point nahazo alalana avy amin’ny Jirama. Maro ny mitaraina amin’ny filaharam-be rehefa mandoa ny faktioran’ny jiro sy ny rano. Miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fanjakana, amin’ny alalan’ny Jirama. […]
Sampana mpamonjy voina : amboarina ireo fantson-drano eny Analakely sy Mahamasina
Manatanteraka ny asa fanamboarana ireo fantsona mamatsy rano mandritra ny fisiana tranga fahamaizana eny Analakely sy Mahamasina ny sampana mpamonjy voina, ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo fantsona ireo no ampiasain’ny ekipa milatsaka an-tsehatra amin’ny famonoana afo eny amin’ireo toerana ireo. Tsy azon’iza na iza ampiasaina izany fantsona izany afa-tsy […]




